Fiteny taỳ
(tonga teto avy amin'ny Fiteny thai)
Ny fiteny taỳ (anarany eo an-toerana: ภาษาไทย [phaː˧.saː˩˦.tʰɑj˧]) dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny taỳ voasokajy ao amin'ny fiteny tai-kaday. Ny isan' ny mpiteny taỳ dia enimpolo tapitrisa. Ny fiteny taỳ dia teny ofisialin' ny Fanjakan' i Tailandy.
Fanoratana
hanovaNy fiteny taỳ dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida manokana (abidy taỳ ) avy amin' ny abidy kimera, navadika mba hahafahana manoratra tsara ny fiteny taỳ.
- Izy io dia manana renifeo roapolo, soratana amin' ny alàlan'ny litera efatra ambin' ny efapolo, roa no tsy ampiasaina intsony;
- Izy io dia manana zanapeo efatra ambin' ny roapolo, misy ny zanapeo misosona ho roa ary ny zanapeo misosona ho telo, soratana amin' ny alàlan' ny litera telo ambin' ny folo (zanapeo enina fohy, dimy lava ary diakritika zanapeo misosona manokana) ;
- Ny haabom-peo dia miankina amin'ny renifeo safidiana, voazara ho vondrona telo ; asiana diakritika efatra mba hahafahana mampiditra teny vahiny sarotra soratana.
Ny fiteny taỳ dia soratana avy any ankavia mankany ankavanana, tsy misy fijanonan-tsoaratra, ary mety misy teny maro soratana miraikitra. Tsy mifandray ny litera. Tsy misy lohasoratra.
Fanononana
hanovaZanapeo
hanovaaloha | anivo | aoriana | |
---|---|---|---|
mikatona | i | ɯ | u |
mikatona sasany | e | ɤ | o |
mivoha sasany | ɛ | ɔ | |
mivoha | a | ɑ |
Renifeo
hanovabilabiales | labiodentales | alvéolaires | post-alvéolaires | palatales | vélaires | glottales | |
---|---|---|---|---|---|---|---|
occlusives sourdes non-aspirées | p | t | k | ʔ | |||
occlusives sourdes aspirées | pʰ | tʰ | kʰ | ||||
occlusives sonores | b | d | |||||
affriquées (sourdes) | ʨ | ||||||
affriquées (sourdes) aspirées | ʨʰ | ||||||
fricatives (sourdes) | f | s | h | ||||
nasales | m | n | ŋ | ||||
latérales | l | ||||||
vibrantes (battue) | r | ||||||
spirantes | j | w |
Haabom-peo
hanovaNy fiteny thai dia manana haabom-peo dimy : ambany [˨˩], afovoany [˧], ambony [˦˥], mihidina [˥˩] ary miakatra [˩˦].
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Dictionnaire Thaïlande-guide : dictionnaire français-thaï de plus de trois mille mots
- dictionnaire thaï (romanisé)-français/français-thaï (romanisé) Freelang
- Dictionnaire gratuit Volubilis : thaï - thaï romanisé - français - anglais (47 000 entrées)
- Clavier Thaï en ligne Archived Septambra 28, 2007 at the Wayback Machine
Boky
hanova- ASSIMIL, Introduction au thaï, nataon'i Watana Noonpackdee Butori sy Bernard G. Butori, (ISBN 2700520866)