Fiteny taỳ
Ny fiteny taỳ (anarany eo an-toerana: ภาษาไทย [phaː˧.saː˩˦.tʰɑj˧]) dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny taỳ voasokajy ao amin'ny fiteny tai-kaday. Ny isan' ny mpiteny taỳ dia enimpolo tapitrisa. Ny fiteny taỳ dia teny ofisialin' ny Fanjakan' i Tailandy.
FanoratanaHanova
Ny fiteny taỳ dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida manokana (abidy taỳ ) avy amin' ny abidy kimera, navadika mba hahafahana manoratra tsara ny fiteny taỳ.
- Izy io dia manana renifeo roapolo, soratana amin' ny alàlan'ny litera efatra ambin' ny efapolo, roa no tsy ampiasaina intsony;
- Izy io dia manana zanapeo efatra ambin' ny roapolo, misy ny zanapeo misosona ho roa ary ny zanapeo misosona ho telo, soratana amin' ny alàlan' ny litera telo ambin' ny folo (zanapeo enina fohy, dimy lava ary diakritika zanapeo misosona manokana) ;
- Ny haabom-peo dia miankina amin'ny renifeo safidiana, voazara ho vondrona telo ; asiana diakritika efatra mba hahafahana mampiditra teny vahiny sarotra soratana.
Ny fiteny taỳ dia soratana avy any ankavia mankany ankavanana, tsy misy fijanonan-tsoaratra, ary mety misy teny maro soratana miraikitra. Tsy mifandray ny litera. Tsy misy lohasoratra.
FanononanaHanova
ZanapeoHanova
aloha | anivo | aoriana | |
---|---|---|---|
mikatona | i | ɯ | u |
mikatona sasany | e | ɤ | o |
mivoha sasany | ɛ | ɔ | |
mivoha | a | ɑ |
RenifeoHanova
bilabiales | labiodentales | alvéolaires | post-alvéolaires | palatales | vélaires | glottales | |
---|---|---|---|---|---|---|---|
occlusives sourdes non-aspirées | p | t | k | ʔ | |||
occlusives sourdes aspirées | pʰ | tʰ | kʰ | ||||
occlusives sonores | b | d | |||||
affriquées (sourdes) | ʨ | ||||||
affriquées (sourdes) aspirées | ʨʰ | ||||||
fricatives (sourdes) | f | s | h | ||||
nasales | m | n | ŋ | ||||
latérales | l | ||||||
vibrantes (battue) | r | ||||||
spirantes | j | w |
Haabom-peoHanova
Ny fiteny thai dia manana haabom-peo dimy : ambany [˨˩], afovoany [˧], ambony [˦˥], mihidina [˥˩] ary miakatra [˩˦].
Jereo koaHanova
Rohy ivelanyHanova
- Dictionnaire Thaïlande-guide : dictionnaire français-thaï de plus de trois mille mots
- dictionnaire thaï (romanisé)-français/français-thaï (romanisé) Freelang
- Dictionnaire gratuit Volubilis : thaï - thaï romanisé - français - anglais (47 000 entrées)
- Clavier Thaï en ligne
BokyHanova
- ASSIMIL, Introduction au thaï, nataon'i Watana Noonpackdee Butori sy Bernard G. Butori, (ISBN 2700520866)