Fiteny santalỳ
Ny fiteny santalỳ dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny monda ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika, mifandray amin' ny fiteny hô sy ny fiteny mondary. Ny fiteny santalỳ dia fitenin' ny Santalỳ na Santaly, vondrona teratany any India.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b7/Santali_official_in_India.svg/220px-Santali_official_in_India.svg.png)
Olona enina tapitrisa eo ho eo no miteny izany any India, any Bangladesy, any Nepaly ary any Botàna. Mipetraka any India ny ankamaroan' ny mpiteny, any amin' ireto fanjakana ireto: Jharkhand, Assam, Bihar, Odisha, Tripura ary Bengal Andrefana.
Manana abidy manokana izy io, antsoina hoe abidy santalỳ, saingy ambany dia ambany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, eo anelanelan' ny 10 sy 30 %. Ny fiteny santalỳ dia azo soratana amin' ny fampiasana ny alfasilabera ôdia, devanagary na ny alfasilabera bengaly; nandritra ny vanim-potoana britanika dia nosoratana tamin' ny abidy latina mihitsy aza izy io.