Fiteny maninka andrefana

Ny fiteny maninka andrefana na fiteny malinke andrefana dia fiteny mandinga tenenina ao Maly (misy mpiteny miisa 433 000 tamin' ny taona 2009) sy any Senegaly (misy mpiteny miisa 1 300 000 tamin' ny taona 2015) ary any Gambia. Mifanakaiky amin' ny fiteny maninka andrefana ny fiteny maninka any Kita sy ny fiteny maninka atsinanana. Mifanakaiky aminy koa ny fiteny kasônke any Maly sy ny fiteny mandinka any Gambia.