Fiteny maninka any Kita

Ny fiteny maninka any Kita na fiteny malinke any Kita na fiteny maninkakàna any Kita na fiteny maninka afovoany dia fiteny mandinga ao Afrika Andrefana ampiasaina ao Maly sy any Ginea. Niisa 434 000 any ho any ny olona mampiasa io fiteny io tamin' ny taona 2014 tao Maly, izay manao azy ho tenim-pirenena. Ny 10 % eo ho eo amin' izy ireo dia Folany ara-poko.

Ny 86 % amin' ny voabolana ao amin' ny fiteny kagôrô, izay karazan' io fiteny io, dia itoviany amin' ny fiteny maninkankàna, araka ny Ethnologue, ary nosoloan' ny fiteny bambara.