Fiteny kôpta sahidika

Ny fiteny sahidika na fiteny kôpta sahidika na fiteny tebaika dia fitenim-paritra kôpta nanoratana ny lahatsoratra kôpta malaza, ary io no fitenim-paritra nanjaka tamin' ny vanim-potoana talohan' ny silamo. Heverina fa fitenim-paritra avy amin' ny faritra manodidina an' i Hermôpôlisy izy io tany am-boalohany. Atao hoe Ϣⲙⲟⲩⲛⲉⲓⲛ / Shmounein io fiteny io amin' ny fiteny kôpta.

Teo amin' ny taona 300 teo ho eo no nanomboka nosoratana tamin' ny endrika literatiora ny fiteny sahidka, anisan' izany ny fandikana ampahany lehibe amin' ny Baiboly. Tamin' ny taonjato faha-6 dia efa nisy tsipelina manara-penitra nanerana an' i Ejipta. Saika ny mpanoratra teratany rehetra dia nanoratra tamin' ity fitenim-paritra kôpta ity. Ny fiteny sahidka, nanomboka tamin' ny taonjato faha-9, dia nifaninanan' ny fiteny kôpta bôhairika, nefa voamarim-pisiana hatramin' ny taonjato faha-14.

Raha ny lahatsoratra amin' ny fitenim-paritra kôpta hafa dia fandikana ny literatiora grika sy ny soratra ara-pivavahana, ny fiteny sahidika no hany fitenim-paritra manana fitambarana literatiora tany am-boalohany sy lahatsoratra tsy literera.

Satria ny fiteny sahidika dia mizara ny ankamaroan' ny endri-javatra misy azy amin' ny fitenim-paritra kôpta hafa miaraka amin' ny mampiavaka azy manokana, ary manana andian-dahatsoratra marobe fantatra, amin' ny ankapobeny dia io no fitenim-paritra nianaran' ny mpianatra ny fiteny kôpta, indrindra fa ny manam-pahaizana ivelan' ny Fiangonana Kôpta.