Fiteny galô-rômana

Ny fiteny galô-rômana dia vondrom-piteny ao amin' ny erana ara-tantara sy ara-jeôgrafia galô-rômana izay manondro ny sivilizasiôna manokan' i Galia (frantsay: Gaule) nandray kolotsaina rômana. Na izany aza, ho an' ny haifiteny, ny faritra misy ny fiteny galô-rômana dia mazava ho azy fa voafetra kokoa. Ny faritra ara-jeôgrafia dia mifanitsy amin' i Frantsa, i Belzika, i Loksemborga, ny avaratra amin' i Italia ary ampahany amin' i Nederlandy, ampahany amin' i Alemaina ary ampahany amin' i Soisa.

Sarintanin' i Galia: faritany rômana sy ny prôtô-baska, seltika ary alemana tamin' ny faran' ny taonjato voalohany tal. J.K.

Amin' ity heviny ara-jeôlingistika ity, ny fiteny galô-rômana dia mamondrona ny fiteny ôily (anisan' izany ny fiteny frantsay, ny fiteny frankô-prôvensaly, ny vondrona galô-italika, ny fiteny ôksitanô-rômana (ny fiteny ôksitana, ny fiteny katalana, ny fiteny gaskôna, sns.).