Filazantsara kanônika

Ny filazantsara kanônika na evanjely kanônika dia filazantsara na evanjely na vaovao mahafaly efatra izay hita ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana., dia ny Filazantsaran' i Matio, ny an' i Marka, ny an' i Lioka ary ny an' i Joany. Azo inoana fa nosoratana teo anelanelan' ny taona 66 sy 110 izy ireo. Tsy nitonona anarana ny mpanotratra azy efatra ireo, azo antoka saika tanteraka fa tsy nisy amin' izy ireo ny vavolombelona nanatri-maso, ary ireo filazantsara efatra ireo dia vokatra farany tamin' ny fampitana am-bava sy an-tsoratra naharitra ela. Araka ny filazan' ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia ny Filazantsaran' i Marka no voalohany nosoratana, tamin' ny fampiasana loharano isan-karazany, narahin' ny an' i Matio sy ny an' i Lioka, izay samy nampiasa ny an' i Marka amin' ny fitantaran' izy ireo ny asan' i Jesoa, ary nanampy izany amin' ny alalan' ny fanangonan-tenin' i Jesoa antsoina hoe "Loharano Q", ary singa fanampiny matokana ho an' ny tsirairay amin' izy roa ireo. Misy ny marimaritra iraisana fa ny Filazantsaran' i Jaona na Evanjelin' i Joany dia avy amin' ny Evanjelin' ny Famantarana izay noheverina fa niely tao amin' ny vondrom-piarahamonina jôhanika (na jôhaniana).

Jereo koa hanova