Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy

Ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (izay hafohezina hoe FMBM) dia fikambanana iarahan'ny fiangonana sy fikambana kristiana ary ny Kristiana eto Madagasikara ho eti-mampandroso ny fampielezana ny Baiboly sy hahalalan'ny Malagasy rehetra ny Vaovao Mahafalin'i Kristy. Tamin'ny 21 Jona 1965 no teraka ny FMBM. Ny tena ahafantarana nyFMBM dia ny fandikana sy ny fanontana ary ny fivarotana ny Baiboly sy boky hafa na trakta momba ny Baiboly amin'ny teny malagasy. Isan'ny nandraisany anjara tamin'ny fanontana printy ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy (atao hoe Ny Baiboly) sy ny Baibolin'ny firaisam-pinoana (atao hoe Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara na DIEM).