Fanasokajiana ny zavamaneno

Ny fanasokajiana ny zavamaneno dia azo atao amin' ny fomba samihafa. Ao amin' ny Tontolo Tandrefana, izay manana mozika voasoratra, ny fanasokajiana fampiasa taloha indrindra dia ny an' ny zavamanenon' ôrkestra. Azo atao tanteraka anefa ny manao fanasokajiana amin' ny fomba hafa, ohatra ny akora ampiasaina (metaly, hazo, vato, sns.). Na izany aza, mampiasa ny fanasokajiana Hornbostel sy Sachs (1914) ny asasoratra siantifika amin' ny ankapobeny, toy ny ankamaroan' ny boky fampianarana sy koa ny boky akademika. Manana tombony amin' ny fiezahana handrakotra ny zavamaneno rehetra eto amin' izao tontolo izao ity fanasokajiana ity, fa tsy ny an' ny Tandrefana ihany.

Ao amin' ny ôrganôlôjia (fandalinana ny zavamaneno) dia misy fomba maro fanasokajiana ny zavamaneno. Ny ankamaroan' ireo fomba ireo dia natao manokana ho an' ny vondrona ara-kolontsaina iray manokana ary novolavolaina mba hanomezana izay ilain' ny mozikan' io kolontsaina io. Ny fomba fanasokajiana mifototra amin' ny kolontsaina indraindray dia rava rehefa ampiharina ivelan' io kolontsaina io. Ohatra, ny fanasokajiana mifototra amin' ny fampiasana ny zavamaneno dia mety tsy hahomby rehefa ampiharina amin' ny kolontsaina hafa izay manana ireo zavamaneno ireo nefa mampiasa azy amin' ny fomba hafa.

Ao amin' ny fandalinana ny mozika tandrefana, ny fomba fanasokajiana mahazatra indrindra dia mizara ny zavamaneno ho amin' ireto vondrona manaraka ireto: zavamaneno misy tadiny (matetika zaraina ho zavamaneno misy tadiny kitihina sy zavamaneno misy handrotra); zavamaneno tsofina (matetika zaraina ho zavamaneno hazo sy zavamaneno varahiny); zavamaneno velezina (zaraina ho zavamaneno velezim-batana sy zavamaneno velezin-tavany; ary zavamaneno elektrônika.

Fanasokajiana ho karazan-javamaneno telo

hanova

Zavamaneno misy tadiny

hanova

Zavamaneno mamoaka feo avy amin' ny fipararetran' ny tadiny iray na maromaro ny zavamaneno misy tadiny. Amin' ny fanasokajiana zavamaneno, ny zavamaneno misy tadiny dia zavamaneno mamoaka feo avy amin' ny tadiny mipararetra rehefa tendrena na velezina na ampanenoina amin' ny handrotra.

Zavamaneno tsofina

hanova

Zavamaneno mamoaka feo noho ny fihovitrovitry ny tsanganan-drivotra avy amin' ny fofonan' ny mpitsoka zavamaneno, na tsofin' ny fitaovana mekanika paosin-rivotra, ny zavamaneno tsofina.

Zavamaneno velezina

hanova

Zavamaneno mamoaka feo avy amin' ny fikapohana na fikasohana ny apahany amin' ny vatany ny zavamaneno velezina. Ny zavamaneno velezina angamba no zavamaneno voalohany indrindra nampiasain' ny olombelona sady anisan' ny zavamaneno ampiasaina amin' ny ankamaroan' ny karazana mozika. Hita hatrao amin' ny mozika nentim-paharazana ka hatramin' ny mozika klasika izreo zavamaneno ireo.