Ny Diptera dia filaharana iray ao amin' ny kilasin' ny bibikely. Iray amin' ny filaharana lehibe indrindra izy io raha jerena ny isan' ny karazana. Ity vondrona ity dia ahitana karazana voatondro amin' ny anarana hoe lalitra, moka sns. Elatra roa ihany no ananan' ny bibikely ao amin' io filaharana io mba hanidinany. Ny Diptera dia filaharana lehibe misy karazana 1 000 000 any ho any, anisan' izany ny lalitra, ny lali-tsoavaly, ny moka ary ny hafa, na dia eo amin' ny 125 000 eo ho eo aza no voafaritra mazava.

Diptera

Ny Diptera dia manana loha afaka mihetsiketsika, misy maso mitambatambatra lehibe roa, ary ny vavany natao hanindrona sy hitsentsitra (moka, lalitra mainty, sns), na hilelaka sy hitroka, ao amin' ny vondrona hafa. Ny firafitry ny elany dia mahatonga azy ireo ho afaka miodinkodina sy mivily lalana mora foana rehefa manidina, ary ny tongony dia ahafahany mifikitra amin' ny faritra malama. Mandalo fiovana endrika tanteraka ny lalitra; matetika ny atodiny no apetrany eo amin' ny loharanon-tsakafo ary ny olitra, izay tsy manana rantsam-batana tena izy, dia mivoatra ao amin' ny tontolo voaaro, matetika ao anatin' ny loharanon-tsakafony. Ny karazana hafa dia tsy mamoaka atody ety ivelany fa tonga dia olitra no mivoakaamin' ny fatim-biby, amiin' ny tay, amin' ny akora an-dalam-pahasimbana, na ratra misokatra amin' ny biby mampinono. Ny monany dia fonosana henjana izay mamoaka bibikely tonga amin' ny fahalehibeazany rehefa vonona ny hanao izany; fohy ny androm-piainan' ireo bibikely ireo rehefa lehibe.

Ny Diptera dia iray amin' ny laharam-bibikely lehibe ary manana lanjany eo amin' ny tontolo iainana sy eo amin' ny olombelona. Ireo bibikely ireo dia mpamindra vovobony manana ny maha izy azy, faharoa aorian' ny tantely sy ny Hymenoptera hafa. Ny Diptera dia mety ho anisan' ireo mpamindra vovobony voalohany indrindra teo amin' ny fivoaraena miandalana. Ny Diptera mpihinana voankazo (Drosophila) dia ampiasaina ho zavamananaina filamatra amin' ny fikarohana, saingy tsy dia tsara loatra, ny moka dia mpamindra tazomoka, dengy, tazon' i Nily Andrefana, tazovony, aretina an-doha, ary areti-mifindra hafa; ary ny lalitra an-trano, izay mifanerasera amin' ny olombelona, dia mampiely aretina azo avy amin' ny sakafo. Mety hanelingelina ny Diptera, indrindra any amin' ny faritra sasany eto amin' izao tontolo izao izay misy azy betsaka, mitabataba sady mipetaka amin' ny hoditra na maso mba hanaikitra na hitady ranon-javatra. Ny Diptera lehibe kokoa toy ny lalitra tsetse sy ny Cochliomyia dia izay mamely ny biby fiompy toy ny omby dia miteraka fahavoazana ara-toekarena lehibe. Ny olitry ny lalitry ny hena sy ny olitry ny Diptera hafa dia ampiasaina amin' ny fanjonoana, ho sakafom-biby mpihinan-kena, ary amin' ny fitsaboana hanesorana ny sela maty mba hanadiovana ny ratra.

Jereo koa

hanova