-Manolotra ny fanajana, sy ny arahaba ary ny fialan-tsiny Tompoko! Rehefa namaky hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ity lahantsoratra ity ny tenako dia tsy afaka ny hipetra-potsiny satria hono, tsy misy ny mangina mihoatra ny vato, fa rehefa tsy miteny taingenan'ny vorona. Ka aleo angamba mba asiana dinidinika ihany ny momba ny famadihana (sy ireo fombafomba maro hafa izay niharan'ny herisetran'ny fanjanahan-tany sy fanjanahan-tsaina).

1)Marina ny fanamarihana nataon'ny mpikambana Fjor ny momba ny fandaniambe mihoapampana ataon'ny mpianakavy rehefa mamadika, any amin'ny firenen-kafa ihany koa dia misy ny toy izany eo amin'ny fiseho koltoraly samihafa (India, Komoro....)

2)Marina ihany koa fa misy ny disadisa miseho andro eo amin'ny samy mpihavana rehefa tonga ny andro ihaonana mikasika ny raharaha iraisana sy ifandraisana toy ny famadihana.

3)Ary farany dia marihiko etoana fa manana "entam-barotra" ampirentina ny mpikambana Fjor ka manasoaso izany fatratra eto andaniny, ary manabaty tokoa ny nentin-drazana etsy ankilany. Ka noho izany dia hataoko miendrika fanontaniana ny dinidinika tiako hitaritana ny saintsika mpamaky eto am-pamaliana an'io mpikambana Fjor io. Dia hoy aho hoe:

-Tsy afaka ve isika taranaka taty aoriana nanatsara izay azo nohatsaraina, amin'ny alalan'ny famerana izay tokony holanian'ny mpianakavy rehefa mamadika? Fa nahoana no dia natao ho fahotana sy fahadisoana mivongady tsy misy fanafany ka natao ho mendrika fotsiny ny hariana any andava-piringa ny fomban-drazana? (Ny ezaka nataonay tamin'ny famadihana nataonay farany dia novàna ho loloham-pitiavana ny loloha ara-bola, ka lasa simbolika sisa ny anjara vola noraisin'ireo zana-drazana tsy ampy fivelomana, fa ireo izay afa-manao misimisy kokoa dia nanao arak'izay vitany. Noho izany dia manao izay ahatongavany any an-toerana sisa ny rehetra, fa tsy misy antery, ary vory lanona tokoa ny mpianakavy nohon'ny fifankatiavana.Izay vita teo dia natao ampy.)

-Manaraka izany: raha mbola olombelona eto an-tany dia tsy maintsy misy foana ny hevitra na toe-javatra tsy ifanarahana. Ataoko fa tsy vahaolana ny misitrika na manao mody tsy mahita izany.Kanefa hoy aho hoe: amintsika taranaka aty aoriana ve tompoko dia tsy misy intsony ny olon-kendry afaka mandravina olana sa efa lasa jiolahim-boto daholo ka mpanao adilahy sisa no tavela ao amin'ny taranak'Ikakibe sy INenibe? Mino aho tompoko, fa raha ny fahendren'ny ntaholo no nifikirantsika dia hotsapantsika fa ho nihatra tamintsika izany fitahian'ny Razana izany. Fa raha ny kolontsaina vahiny(vazaha)kosa no mibahana ao an-karandohantsika dia ny razambazaha izany no tokony hitahy antsika.Mino marimarina aho fa mbola adihevitra be ny amin'io indrindra fa amin'izao fotoana ahafahana manao ny bilan hatramin'izay nahatafidiran'ny kolontsaina vahiny teto amintsika izay.

-Noho izany dia ataoko fa hitsin-dalana fotsiny no ataon'ny mpikambana Fjor.Sady manabaty ny an'ny tena fa tsy mitady ny hampivoatra azy mba ahafahana manary izany ambongadiny.Sady manindrahindra ihany koa ny netin'ny vahiny ka natolony hatelintsika tatramin'ny faikany. Moa ve izany tompoko zavatra hafa nohon'ny mbola maha zana-tany sy maha zanatsaina antsika? Ny an'ny olona, soa, fa ny antsika poizina. Ny an'ny hafa raisina antanan-droa fa ny antsika ariana atao tsipy kapila.

Hamaranako azy nefa dia aoka tsy ho sondriana isika mpamaky ny amin'ny toetra ivelany avela hiseho ny amin'ny finoana vahiny.Fa kosa hahay handinika sy hanao fikarohana. Aza avela hosen'ny "credo" re tompoko ny "raison".Tsy efa manitikitika, tsy efa manahirantsaina, tsy efa mampieritreritra ve tompoko ny namadihan'ny kolontsaina vahiny an'ireo "ambanilanitr'i Ranavalo" ho lasa ondry mibarareoka isan'alahady?

Votre compte va être renommé hanova

18 Martsa 2015 à 03:40 (UTC)

Compte renommé hanova

19 Aprily 2015 à 09:35 (UTC)