David Ben-Gurion
David Ben-Gurion | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | David Ben-Gurion | ||
Teraka | 16 Oktobra 1886 | ||
Maty | 1 Desambra 1973 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Israely, Polonia | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I David Ben-Gurion dia mpanao pôlitika israeliana mpitondra fanjakana israeliana, teraka tamin' ny 16 Ôktôbra 1886 tao Płońsk (foiben' i Pôlônia, nakambana tao amin' ny Empira Rosiana) ary maty tamin' ny 1 Desambra 1973 tao Sde Boker (Israely). Amin' ny teny hebreo dia atao hoe דָּוִד בֶּן-גּוּרְיוֹן / David ben Guryôn fa داود بن قوريون amin' ny teny arabo, Tamin' ny fahaterahany dia David Grün no anarany, דוד יוסף גרין / David Yosef Grin amin' ny teny idisy.
Tamin' ny taona 1930 dia nandray anjara tamin' ny fananganana ny antoko Mapai (מפא"י) izy, izay lasa Antokon' ny Mpiasa Israeliana, nitarika ny Jiosin' i Palestina (Yishuv) nandritra ny fitantanana britanika (1918-1948), avy eo ny Fanjakan' i Israely, nandritra ny telopolo taona voalohan' ny fisiany.
Izy no mpanorina ny Fanjakan' i Israely, izay nambarany ny fahaleovantenany tamin' ny 14 May 1948. Izy no praiminisitra teo amin' ny firenena hatramin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1954 ary hatramin' ny 1955 ka hatramin' ny 1963. Izy no praiminisitra israeliana naharitra ela indrindra (amin' ny fomba mifanesy sy mifanelana), hatramin' i Benyamin Netanyahu tamin' ny taona 2018.
Ny fiainany manokana
hanovaNy vadiny dia Paula Ben-Gurion. Ny zanany dia Amos Ben-Gurion.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]