Dalai Lama
Ny Dalai Lama dia anaram-boninahitra nomen' i Altan Khan, mpanjaka Shunyi voalohany tao amin' ny tarana-mpanjaka Ming ta Sina, tamin' ny taona 1578 tao amin' ny mônastera Yanghua ho an' ny mpitarika ara-panahy lehibe indrindra ao amin' ny sekolin' ny Gelug na "Satroka Mavo" ao amin' ny bodisma tibetàna, izay vao haingana sy manan-danja indrindra amin' ny sekoly efatra lehibe. Amin' ny teny tibetana ny Dalai Lama dia atao hoe ཏཱ་ལའི་བླ་མ་ / Tā la'i bla ma, vakina hoe [táːlɛː láma]. I Tenzin Gyatso, izay mpitsoa-ponenana an-tsesitany any India no Dalai Lama faha-14 sady am-perinasa. Ny Dalai Lama rehetra dia tulku, izany hoe fahatongavana ho nofon' i Avalokiteśvara, ilay bodhisattvan' ny fangorahana.
Hatramin' ny andron' ny Dalai Lama faha-5 tamin' ny taonjato faha-17, ny Dalai Lama dia mariky ny fampiraisana ny fanjakan' i Tibeta. Ny Dalai Lama dia olona manana ny maha izy azy lehibe eo amin' ny fomba Geluk, izay nanjaka tany Tibeta Afovoany, fa ny fahefany ara-pivavahana dia nihoatra ny sisin-tanin' ilay antokom-pivavahana, maneho ny soatoavina sy lovam-panao bodista mihoatra ny sekoly manokana rehetra. Ny anjara asa nentin-drazana sahanin' ny Dalai Lama amin' ny maha-olon' ny ekiomenisma azy dia noraisin' ny Dalai Lama faha-14, izay nanao ny handresena ny fizarazaràna ho sekta sy fizarazarana hafa tao amin' ny vondrom-piarahamonina an-tsesitany ary lasa eva famantarana ny firenena tibetana ho an' ny Tibetana any Tibeta sy any an-tsesitany.
Nanomboka tamin' ny taona 1642 ka hatramin' ny taona 1705 ary nanomboka tamin' ny taona 1750 ka hatramin' ny taona 1950, ny Dalai Lama na ny mpisolo tena azy no nitarika ny governemanta tibetana (na Ganden Phodrang) tany Lhasa, izay nitantana ny Lembalemba Tibetana manontolo na ny ampahany be izay nanana fiezakan-tena amin' ny endriny miovaova. Ity governemanta tibetana ity dia nahazo ny fiahiana sy ny fiarovana avy amin' ny mpanjaka môngôly tao amin' ny Kanata Khoshut sy ny Kanata Dzungar (1642–1720) ary avy eo avy amin' ny emperora tao amin' ny tarana-mpanjaka Qing notarihin' i Manchu (1720–1912). Nanohana ny fahaleovanten' i Tibeta ny Dalai Lama faha-13, toy izany koa ny faha-14 alohan' ny hiovany toerana tamin' ny taompolo 1980. Ny Dalai Lamas no nitarika ny governemanta tibetana hatramin' ny taona 1951.