Common Low
Ny Common law dia rafitra momba ny lalàna izay apetraky ny fitsarana amin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra tsirairay ny fitsipika ao aminy. Ny didy zary lalàna no tena loharanon-dalàna ary ny ainga fototry ny stare decisis dia manery ny mpitsara hanaraka ny fanapahan-kevitra noraisin' ny fitsarana teo aloha. Manome toerana ho an' ny lalàna maro anefa ny rafitry ny Common law.
Ara-tantara dia rafitra avy amin' ny lalàna anglisy ny Common law. Nentina sy nampiharina tany amin' ny zanatany britanika maro teo aloha izy io, indrindra fa tany Irlandy, tany Hong Kong, tany Kanada (afa-tsy tany Québec, izay mampiasa rafi-dalàna mifangaro), tany Etazonia (afa-tsy any Louisiana sy California ary Pôrtô-Rikô, izay ampiasana rafitra mifangaro) ary amin' ny ankapobeny any amin' ny firenena mokambana ao amin' ny Commonwealth.
Mifanohitra amin' ny fomba amam-panao momba ny lalàna rômana sivilista (Civil law), izay ahitana ny loharanon-dalàna avy amin' ny fehezan-dalàna, ny Common law.