Bola (volana hebreo)

Ny Bola dia volana fahafito ao amin'ny tetiandro hebreo talohan'ny fahababoan'ny Jiosy na Jody tany Babilona. Nosoloana ny anarana hoe Hesvana (hebreo: חֶשְׁוָן / Heshwān) ny anaran'io volana io taorian'ny fahababoana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe Bul ny anaran'io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Oktobra sy Novambra. Ny volana Bola dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).

Jereo koa hanova