Ny Bisaia dia mponina any amin' ny tapany atsimo sy afovoan' i Filipina. Mihoatra ny 40 % amin' ny vahoaka filipina no Bisaia. Antsoin' ny Bisaia hoe binisaya ny fitenin' izy ireo avy.

Amin' ny lafiny fiteny, ny vondtom-piteny bisaia dia zana-bondrona ao amin' ny sampan' ny vondrom-piteny filipina izay ao amin' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Ny fiteny lehibe amin' ity vondrona ity dia ny fiteny seboanô sy ny fiteny ilôngô sy ny fiteny oaray-oaray ary ny fiteny taosoga.

Ny Bisaia ao Filipina dia tsy tokony hafangaro amin' ny Bisaia ao Borneo (any amin' ny tapany avaratra amin' ny nosy Borneo).