Vondrom-piteny filipina

Ny vondrom-piteny filipina na filipinika dia vondrom-piteny ahitana ny fiteny rehetra ao Filipina sy ao Solavesy avaratra, ao Indônezia — afa-tsy ny vondrom-piteny sama-bajao sy ny fiteny môlbôga — ary mamorona zana-pianakaviana ao amin' ny fiteny aostrôneziana. Na dia eo akaikin' ny ivon' ny fielezan' ny Aostrôneziana avy ao Formosa aza i Filipina, dia tsy dia misy firy ny fahasamihafan' ny fiteny eo amin' ireo fiteny filipina ireo izay miisa 150 eo ho eo, izay midika fa ny fahasamihafana taloha dia voafafan' ny fielezan' ny razamben' ny fiteny filipina ankehitriny.

Fiteny filipiana, voahodidina manga

Anisan' ny vondrona lehibe ao amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana ny fiteny filipina. Any Filipina sy any Celebes (any Indônezia) ary any amin' ny amin' ny ranomasina tandrify ny morontsirak' i Taiwan no ampiasaina izy ireo.