Benedikto any Nursia
Benedikto de Nursia | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Benedikto de Nursia | ||
Teraka | 2 Martsa 480 | ||
Maty | 21 Martsa 547 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Italia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Benedikto any Nursia na Benoà any Nursia (na Md Benedikto na Md Benoà ho an' ny Katôlika sy Ôrtôdôksa) no mpanorina ny Fikambanan' ny Benediktina ary tena nanentana ny mônastisisma tandrefana tatỳ aoriana. Teraka tamin' ny taona 480 tany Nursia ao Umbria (Italia) ary maty tamin' ny taona 547 tao amin' ny mônastera Montecassino izy. Atao hoe Benedictus de Nursia na Sanctus Benedictus de Nursia izy amin' ny teny latina.
Heverin' ny Katôlika sy Ôrtôdôksa ho patriarkan' ny moanina tandrefana izy, noho ny fitsipikany nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny mônastisisma tandrefana, eny hatramin' ny sivilizasiôna eorôpeana tamin' ny Andro Antenatenany.
Ny fetin' i Md Benoà dia ny 11 Jolay, daty fankalazana ny famindrana ny sisa tamin' ny vatany (relika) tao amin' ny Abey Saint-Benoît-sur-Loire.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]