I Avaradrano dia iray amin' ireo fizaràna an' Imerina ho efa-toko tamin' ny andron' ny mpanjaka merina Andriamasinavalona (1675-1710) na enin-toko nanomboka tamin' ny andron' Andrianampoinimerina (1787-1810), ka izy no nalaza indrindra tamin' ireo faritra ireo. Ny fizaràna dimy hafa dia i Vakinisisaony, i Marovatana, Ambodirano, i Vonizongo, ary i Vakinankaratra. Mizara telo i Avaradrano, dia: i Tsimahafotsy (manana an' Ambohimanga no renivohitra), i Tsimiamboholahy (Ilafy no renivohiny), i Mandiavato (manana an' Ambohidrabiby ho renivohitra). Ny rano Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy naha Avaradrano azy. Tao no fiavian' Andrianampoinimerina.

Jereo koa hanova