Asera (andriamanibavy)

I Asera dia andriamanibavy tao amin' ny fivavahana semitika taloha. Atao hoe אשרה / Asherah izy amin' ny teny hebreo. Ašratu na Ašratum no iantsoan’ ny Akadiana azy, ary ny Hetita (na Hitita) manao azy hoe Aserdu na Aserdus na Asertu na Asertus. Matetika izy no heverina ho i ʾAṯiratu andriamanibavin' i Ogarita (Ugarit) ary toa mifandray amin' ny fivavahana amin' i Baala (Baal) talohan' ny taonjato faha-7 tal. J.K. Andriamanibavin' ny ny fahavolarana izy.