Apôkalipsy voalohan' i Jakôba

Ny Apôkalipsy voalohan' i Jakôba dia asasoratra apôkaliptika gnôstika. Ny fahitana azy tamin' ny voalohany dia fandikana kôpta izay famelabelarana fahatelo ao amin' ny Codex V ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi. Nisy kopia fanampiny hita tatỳ aoriana tamin' ny teny kôpta izay ampahany ao amin' ny Codex Tchacos ary amin' ny teny grika ao amin' ny Oxyrhynchus Papyri.

Mampiasa teôlôgomena valentiniana ilay lahatsoratra, ka nahatonga ny fiheverana fa nosoratana manodidina ny taona 200. Ny votoatin' ilay lahatsoratra dia fifanakalozan-kevitra teo amin' i Jesoa na Jesosy sy i Jakôba Ilay Marina. Ny lahatsoratra dia mandray fomba fijery dôketista momba an' i Jesoa amin' ny alalan' ny teniny hoe "tsy rahalahiko ara-materialy ianao" ary "tsy mbola nijaly na ory aho na oviana na oviana". Ny lahatsoratra dia manomana an' i Jakôba ho amin' ny fahafatesany maritiora amin' ny alalan' ny fananterana ny fanavotana ara-panahy ambonin' ny fisiana ara-materialy.

Jereo koa hanova