Apôkalipsin' i Baroka
Ny Apôkalipsin' i Baroka dia asasoratra jiosy pseodepigrafika na apôkrifa roa samy hafa nosoratana tamin' ny faramparan' ny taonjato voalohany sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-2 taor. J.K., taorian' ny nandravan' ny Rômana an' i Jerosalema tamin' ny taona 70, na dia nolazaina fa i Baroka ben Neriah (taonjato faha-6 tal. J.K.) no nanoratra azy ireo.
- ny Apôkalispsy siriakan' i Baroka na Boky faharoan' i Baroka izay nomena anarana noho ny zava-misy fa ny ampahany be dia mbola hita ao amin' ny sora-tanana siriaka
- Ny Apôkalipsy grikan' i Baroka na Boky fahatelon' i Baroka izay hita betsaka indrindra ao amin' ny sora-tanana grika