Aoreliano (emperora rômana)

I Aoreliano dia emperora rômana izay nanapaka nomboka tamin' ny fahavaratry ny taona 270 mandra-pahafatiny tamin' ny taona 275. Amin' ny teny latina ny anaram-boninahiny dia Imperator Cæsar Lucius Domitius Aurelianus Pius Felix Augustus, Germanicus Maximus, Gothicus Maximus, Carpicus Maximus, Dacicus Maximus, Arabicus Maximus, Palmyrenus Maximus. Teraka tamin' ny 9 Septambra 214/215 tao Sirmium ary nisy namono tamin' ny Septambra 275 tao Caenophrurium izy. Avy amin' ny fiaviana tsotsotra tany Pannonia izy, dia niditra tao amin' ny tafika rômana tamin' ny taona 235 ary nisondrotra voninahitra. Nanambara azy ho emperora ny legiônan' i Sirmium tamin’ ny nahafatesan’ i Klaodio II tamin' ny volana May 270.

Ny emperora Aoreliano

Ireo taona voalohany nanjakany dia voamariky ny fanafihana mitohy feno fandresena tamin' ny vahoaka "Barbariana" toa ny Gôty na ny Vandaly, ary koa ny fanorenana ny Mandan' i Aoreliano manodidina an' i Rôma. Avy eo dia nanapa-kevitra ny hanorina indray ny sisin-tanin' ny Empira Rômana fahiny i Aoreliano, tamin' ny fampidirany ny Empira Palmirena tamin' ny taona 273 sy ny Empiran' ny Gaoloà tamin' ny taona 274 ho anisan' ilay empira lehibe.

Rehefa niverina tany Rôma izy dia nampiditra vola vaovao, dia ny Aurelianus, mba hampiadana ny fihen-danjan ny vola rômana, avy eo dia nanangana ny fetin' ny Sol Invictus tamin' ny 25 Desambra izy. Rehefa nandeha tany Persia izy mba hanafika ny Empira Sasanida, dia novonoin' ny mpiambina azy (mpiambina pretôriana) tamin' ny taona 275.

Ao amin’ ny antontan-taratasy ôfisialy dia nantsoina hoe dominus et deus ("tompo sy andriamanitra") i Aoreliano, izay mbola tsy nisy toy izany ho an' ny emperora. Nanome azy ny hoe Restitutor Orbis ("Mpamerina amin' ny laoniny izao Tontolo Izao") ihany koa ny Antenimieran-doholona ihany koa. Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny famaranana ny krizy tamin' ny taonjato fahatelo ny fahombiazany.