Andriambelomasina dia mpanjaka merina nitondra ny fanjakan' Imerina Avaradrano tamin' ny taona 1730 ka hatramin' ny taona 1770. Tao Ambohimanga no nisy ny renivohitry ny fanjakany. Nanapaka nandritra ny 40 taona izy, vanim-potoana naharitra sady azo lazaina hoo nisy fitoniana teo amin' ny fanjakany. Tsy azo lazaina ho mora ny fiakarany teo amin' ny fitondrana, satria tsy dia nanaiky azy ho mpitondra ara-dalàna ny vahoakan' Avaradrano tamin' ny voalohany. Izy no nandimby an' Andriantsimitoviaminiandriana ary Andrianjafy no nandimby azy. Zafikelin' Andriamasinavalona izy. Nanan-janaka maro izy, ka ny dimy lahy fa ny enna kosa vavy. Tamin' ireo zanany ireo dia Andrianjafy no nandimby azy teo amin' ny fitondrana.