Ny anarana iombonana dia anarana mety anondroana zavatra maro samihafa noho ny fananan'ireo zavatra ireo toetra iombonana. Ny ankamaroan'ny fiteny dia manavaka ny anarana iombonana amin'ny anaran-tsamirery. Mety hanana famaritana ankapobeny ny zavatra tondroina amin'ny anarana iombonana iray ka ahafaha-mametra ny singa azo ampidirina ao amin'ilay fiombonana.

Amin'ny fitsipi-panoratana mahazatra sy ho an'ny fiteny soratana amin'ny abidy manavaka ny sora-madinika amin'ny sora-baventy dia soratana manomboka amin'ny sora-madinika ny anarana iombonana, afa-tsy raha anombohana fehezanteny. Nefa misy ny fiteny mampiasa renisoratra hatrany amin'ny fanoratana ny anarana iombonana, toy ny fiteny alemàna.