Alliance Française ny Faradofay

Niorina tamin’ny taona enina ambin’ny fitopolo sy sivinjato sy arivo ny Alliance Française ny Faradofay dia fikambanana mikatsaka tombotsoa natokana ho an’ny Malagasy. Hatramin’ny iraika amby telopolo jolay dia tafiditra tao anatin’ny tamban-jotran’ny Alliance Française iraisam-pirenena izy, izay miasa ho an’ny tombotsoam-bahoaka 2012.

Toerana misy azy hanova

Amin’izao fotoana izao dia eo Bazarikely no misy azy, izay toerana maresaka, misy toeram-pampianarana amin’ny teny frantsay, akaiky ny banky ary koa toeram-pandraisam-bahiny. Manome fampianarana ny teny frantsay amin’ireo toeram-pampianarana maromaro ao Faradofay ihany koa izy.

Asa iandraketany hanova

Mampiroborobo ny teny sy ny kolontsaina frantsay ary koa mamporisika ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara izy. Manan-danja tokoa ny fandraisan’anjaran'ny Alliance Française ao Faradofay amin’ny tetik’asany eo amin’ny lafiny ara kolontsaina. Izy irery no fikambanana hany manana tetik’asa hampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto ao amin’ny Faritra Anôsy.

Rafi-pijoroana hanova

Ny Alliance Française ao Faradofay dia fikambanana eo anivon’ny lalàna malagasy, mahaleo tena ara-drafitra sy ara-bola hatrizay niorenany. Ny fidiram-bolany dia azo avy amin’ny :

  • Ny saram-pisoratana anarana,
  • Ireo fanampian’ny malala-tanana ao an-toerana (toy ny Orange-Madagascar et Canal SAT Canal SAT Madagascar ny Rio Tinto-QMM, ny Port Ehoala, ny Sodexo, ny Unitrans) sy ny any ivelany (toy ny Bouquin Volant, ny Adifor, ny Trait d'Union Madagascar)
  • Ny latsa-kembokan’ireo mpikambana.

Toy ny Alliance Française rehetra maneran-tany dia nahazo tombony avy amin’ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny izy amin’ny fanomezana tomponadraikitra amin’ny fitantanana. Mahazo fanampiana avy amin’ny Ambasadaoron'ny Frantsa eto Madagasikara koa izy.

Firindran’ny asa hanova

Ny Alliance Française ao Faradofay dia ao anatiny fikambanana 29n'ny Alliances Fançaises eto Madagasikara. Ny Alliance Française ao Faradofay dia tantanan’ireo mpikambana voatendry ho mpanolo-kevitra ao an-toerana sady manara-maso amin’ny fanentanana sy manampy azy ireo avy hatrany koa ny fisian'ny teratany vahiny miisa 20 eo ho eo (2013).

Ny fampianarana teny frantsay sy malagasy hanova

Na ny vahiny na ny Malagasy eto an-toerana dia samy afaka mianatra avy hatrany ny fampianarana frantsay sy malagasy isan’ambaratongany ao amin’ny Alliance Française. Toy izany koa ireo orinasa maniry hanome fiofanana ny mpiasany. Marihina fa fanta-daza eran-tany indrindra eo anivon’ny Vondrona Eoropeana ny rafi-piofanana sy ny talentan’ny mpiofanaa nivoaka tamin’izany. Anisan’izany ny valim-panadinana DELF sy DALF izay azon'ny mpiofana nofanin’ireo mpanabe nanana ny maha izy azy eto an-toerana.

Ny tranom-boky hanova

Anisan’ireo trano famakiam-boky iray izay nahasarika mpikambana hatramin’ny efatra sy arivo ny Alliance Française Faradofay tamin’ny taona roa ambiny folo sy roa arivo. Miisa dimy ambin'ny folo sy eninjato sy efatra arivo ny karazam-boky misy ao ary natokana ho an’ny rehetra na kely na lehibe. Ireo boky ireo dia avy amin’ny fanomezan’ny fikambanana Trait-d’Union sy Bouquin Volant ary Adifor.

Fanetsiketsehana ara kolontsaina hanova

Ao anatin’ny asan’ny Alliance Française ao Faradofay ny maneho sary mihetsika vaovao matetika eny ankalamanjana. Manolotra hoan’ny rehetra koa izy amin’ny fampisehoana an-tsehatra tantara an-dampihazo sy ireo kilalao sy tantara maro isan-karazany. Avy amin’ny Alliance Française Faradofay ihany koa ny nahatanteraka ireo vanim-potoana lehibe tahaka ny herinandron' ny Frankofonia (Fikambanan'ny tany miteny frantsay) izay nivadika ho iray volan'ny Frankofonia tamin’ny taona 2013, toy izany koa ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy, ny fetin’ny mozika, ny herinandron’ny tsiroary Madajazzcar.

Ny fanatanterahana ireo fihetsiketsahana ara-kolonbtsaina ireo dia miankina amin’ny fiaraha-miasa misy ao an-toerana toy ny Hotely Kaleta, ny Musée Flacourt, ny Kaominina Tolagnaro ary ny Faritra Anôsy.

Ny ampahefatr’oran’ny Alliance hanova

Nanomboka amin’ny valo novambra telo ambiny folo sy roa arivo dia manana fandaharana manokana ny Alliance Française ao Faradofay ao amin’ny Radio Anosy Frequeance (91.2). Isaky ny zoma amin’ny fito ora hariva, izay anehoana ireo hira malaza frantsay sy ireo vaovao ara-kolontsaina maro samihafa ary kilalao mivantana am-pinday (telefonina) ho an’ny mpihaino. Nahakasika ny "la Vie en rose" noresahin’i Edith Piaf.

Fifaninanana hanova

Maro isan-karazany ny fifaninanana natokana hoan’ny rehetra ao amin’ny Alliance Française any Faradofay, toy ny "Dis-moi dix mots" isan-taona. Efa nisy koa ny fanehoana an-tsary mahakasika ny foto-kevitra hoe "Jouons sur terre".

Ny sarababem-bahoaka hanova

Miisa arivo ny mpikambana ato amin’ny Alliance Française Faradofay, izay ahitana karazam-piaviana maro samihafa; ny roa ampahatelon’ireo dia ankizy sy tanora izay nanam-paniriana hanitatra ny fahaizany teny frantsay

Ny Alliance Française dia miezaka hatrany ny mampita isan’andro ny traikefany sy ny fandaharan’asany amin’ny alalan’ny tapakila taratasy na amin’ny radio sy ny tranonkalany ary eo amin’ny facebook ihany koa.

Fanamarihana tsara ho fantatra hanova

Ny fandaharana vokarina rehetra dia avy ao amin’ny tahirin-kevitra misy ao amin’ny Alliance Française ao Faradofay ihany Endrika:Références

Rohy ivelany hanova