Al-Qaida ao Maghreb Islamika

Ny Al-Qaida ao Maghreb Islamika dia vondrona mitam-piadiana sy fikambanana mpampihorohoro, manana foto-pisainana jihadista salafista, niorina tamin' ny 25 Janoary 2007. Talohan' ny nirotsahany tamin' ny Al-Qaida dia fantatra amin' ny anarana hoe Groupe salafiste pour la prédication et le combat '"Vondrona Salafista momba ny Fitoriana sy ny Ady" izy io, izay vondrona alzeriana avy amin' ny vondrona nisara-bazana amin' ny Groupe islamique armé ("Vondrona Islamika Mitam-Piadiana").

Sainan' ny Fanjakana Islamika

Amin' ny teny frantsay ity fikambanana ity dia atao hoe Al-Qaïda au Maghreb islamique (AQMI), fa amin' ny teny arabo kosa dia تنظيم القاعدة في بلاد المغرب الإسلامي / Tanzim al-Qâ’ida bi-Bilâd al-Maghrib al-Islâmi ("ny Fikambanan' ny Al-Qaïda ao amin' ny Firenen' i Maghreb Islamika"), ary Al-Qaeda in the Lands of the Islamic Maghreb izy amin' ny teny anglisy.

Any Alzeria ny fakan' ilay vondrona nefa ny faritra iasany ankehitriny dia mifanandrify amin' ny faritr' i Sahel, izay manamorona ny efitr' i Sahara any atsimo, ao amin' ny faritra maoritaniana, maliana, borkinabe ary nizeriena. Misy ihany koa ny any Tonizia sy any Libia ary mijanona ao Alzeria any amin' ny tendrombohitra Kabylia.