I Ahmad Shah Qadjar dia shah tany Iràna nanomboka tamin' ny 16 Jolay 1909 ka hatramin' ny 31 Ôktôbra 1925, izy no farany tamin' ny tarana-mpanjaka Kajara. Amin' ny teny persana izy dia atao hoe احمد شاه قاجار. Teraka tamin' ny 21 Janoary 1898 tao Tabriz izy ary maty tamin' ny 21 Febroary 1930 tao Neuilly-sur-Seine, any Frantsa.

Ahmad Shah

Zanakalahin' ny shah Mohammed Ali sy ny vadiny Malekeh Jahan Khanoum ny andriandahy Ahmad Shah izay tonga teo amin' ny seza fiandrianana tamin' ny 16 Jolay 1909 taorian' ny fanonganana ny rainy izay nanandrana niverina tamin' ny famerana araka ny lalàm-panorenana momba ny fahefan' ny mpanjaka.

I Ahmad Shah dia mpitarika malemy izay tsy maintsy niatrika korontana anatiny sy ny fidiran' ny firenena ivelany, indrindra fa avy amin' ny Empira Rosiana sy ny Empira Britanika. Tamin' ny taona 1917 i Britaina Lehibe dia nampiasa an' i Persia ho toerana fiaingan' ny fanafihany hanakorontanana an' i Rosia taorian' ny Revôlisiôna Rosiana.

Nesorina tamin' ny fahefany i Ahmad Shah tamin' ny 21 Febroary 1921 tamin' ny fanonganam-panjakana miaramila notarihan' ny Minisitry ny Ady sady kômandin' ny Tafika Kôsaka persiana, Reza Khan (Reza Pahlavi taty aoriana) izay nametraka ny tenany ho praiminisitra tamin' ny taona 1923.

Nalemy ara-pôlitika noho ny fiakaran' ny herin' i Reza Khan i Ahmad Shah ka niala niaraka tamin' ny ankohonany tamin' ny taona 1923 ka nanao "fitetezam-paritra lehibe eorôpeanina". Nesorina aminy tamin' ny fomba ôfisialy ny fahefany tamin' ny 31 Ôktôbra 1925 rehefa nambaran' ny Majles (Antenimiera iraniara) ho mpanjakan' i Persia i Reza Pahlavi. Toy izany no namarana amin' ny fomba ôfisialy ny fitondran' ny tarana-mpanjaka Kajara tao Persia. Maty tamin' ny taona 1930 tany Neuilly-sur-Seine, any Frantsa izy ary nalevina tao Karbala any Iràka.

Ny taranaka imperialy dia nitohy tamin' ny alalan' ny rahalahiny, ny andriandahy teo aloha Mohammad Hassan Mirza.

Jereo koa hanova