Ahasoerôsy

(tonga teto avy amin'ny Ahasoerosy)

Ahasoerosy na Asoerosy dia anaran' olona hita ao amin' ny Baiboly. Heverin' ny maro fa mitovy amin' ny anarana hoe Kserksesy ny hoe Ahasoerôsy na Asoerôsy noho izy avy amin' ny anarana amin' ny teny persiana tranainy hoe Khšayarša. Tsy vitsy koa anefa ireo mihevitra fa mitovy amin' ny anarana hoe Artakserksesy (indrindra fa i Artakserksesy II) ny hoe Ahasoerosy. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / Aʾhashwerosh na Aʾhashverosh io anarana io.

Ireto avy ireo olona nitondra io anarana io:

  • I Ahasoerôsy na Asoerôsy ao amin' ny Bokin' i Estera dia heverina fa i Kserksesy I (na Kserksesa I) mpanjakan' i Persia.
  • Atao hoe Ahasoerôsy koa ny anaran' ny mpajakan' i Persia ao amin' ny Bokin' i Ezra (Ez. 4.5-7).
  • Misy Ahasoerôsy na Asoerôsy hafa koa ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 9.1) izay ataon' io boky io fa rain' i Dariôsy Mediana (na Dariôsa Meda).
  • Misy Ahasoerôsy na Asoerôsy hafa koa ao amin' ny Bokin' i Tobia, mpiara-miasa amin' i Nabokôdônôzôra (na Nebokadnezara), izay misy mihevitra fa i Kiaksaresy (na Kiaksaresa), mpanjakan' ny Mediana tamin' ny taona 625 hatramin' ny 585 tal. J.K. Mety mbola i Ahasoerôsy na Asoerôsy ao amin' ny Bokin' i Daniela io.
  • Iray amin' ny anaran' ilay "Jiosy mpirenireny" amin' ny angano tamin' ny Andro Antenatenany koa ny hoe Ahasoerôsy.

Jereo koa hanova