Adin' ny tantsaha alemàna

Ny Adin' ny tantsaha alemana (alemàna: Deutscher Bauernkrieg) dia ady ara-tsôsialy sy ara-pivavahana nitranga tao amin' ny Empira Masina teo anelanelan' ny 1524 sy 1526, izay nanoheran’ ny tantsaha sy ny mponina an-tanàn-dehibe ny andriana tompomenakely, vokatry ny fitomboan’ ny tsindry hazo lena ara-toekarena sy ara-pivavahana ary ara-pitsarana, izay nampiharin’ ny andriana sy ny mpitondra fivavahana tamin’ ny saranga ambany alemàna. Antsoina amin’ ny teny alemà hoe Erhebung des gemeinen Mannes ("Fikomian' ny olon-tsotra") izany ady izany.

Izany fikomiana izany dia tany amin' ny toerana samihafa miparitaka tamin' ny faritra maro izay voatsijara amin' ny firenena eorôpeana dimy ankehitriny. Izany dia nitranga tany Swabia, Baden, Palatinate, Hesse, Thuringia (ao Alemaina ankehitriny), tany Tyrol, tao amin' ny firenena Salzburg, any Carinthia (ao Aotrisy ankehitriny) any Alsace, Lorraine, Franche-Comté (ao Frantsa ankehitriny) tany amin' ireo kantao any Basel, Bern, Lucerne ary Graubünden (ao Soisa ankehitriny) ary koa tany Trentino-Alto Adige (ao Italia ankehitriny).

Ity fikomiana ity dia misy antony ara-pivavahana, mifamatotra amin' ny fanavaozana prôtestanta, ary amin' ny lafiny iray hafa ny antony ara-tsôsialy, amin' ny fitohizan' ny hetsiky ny Bundschuh (firaisankina amin' ny "kiraro misy tady", mariky ny tantsaha), ireo fikomiana ireo. izay nisy fiantraikany amin' ny toerana maro tao amin' ny Empira Masina, nanomboka tamin' ny 1493 ka hatramin' ny 1517, toy ny fikomiana nataon' i Joß Fritz. Ny fahatsiarovana ireo fikomiana nifandray tamin’ ny Fiangonana Hosita dia mety nanana anjara toerana koa.

Nipoaka ny ady teo amin’ ny tantsaha sy ny mpanompon’ ny andriana tamin’ ny taona 1524 tany Shühlingen, any avaratra-andrefan’ i Schaffhausen (kantao soisa) ankehitriny, ka nely haingana ny fikomiana tany amin’ ny ankamaroan’ ny faritr’ i Alemaina afovoany sy andrefana ary atsimo, afa-tsy tany Bayern. Nahery vaika koa ilay hetsika tany Aotrisy.

Tamin’ ny taona 1525 dia namolavola ny fitakiany ny tantsaha, anisan’ izany ny zo hifidy ny pasiterany, ny fanafoanana ny fanandevozana, ny zo hanjono sy hihaza, ny fanafoanana ny hetra mifandray amin’ ny menakely maro, ary ny fiantohana ny fitondrana ara-drariny ataon’ ny raharaham-pitsaran’ ny andriana.

Nahery setra indrindra ilay fikomiana tany Thuringie, izay nivadika ho fikomiana ara-pivavahana teo ambany fitarihan’ ny Anabatista notarihin’ i Thomas Münzer. I Thomas Münzer  dia nahomby tamin' ny fanonganana ny fitondrana tompomenakely sy tamin’ ny fandaminanana nandritra ny fotoana fohy ny vondron' ny tantsaha izay iraisan' ny rehetra ny zava-drehetra. Resy an' ady anefa izy tamin’ ny taona 1525, dia voasambotra ary novonoina.

Tamin' ny fiafaran' ny taona 1525, taorian' ny habibiana maro nataon' ny andaniny sy ny ankilany sy ny fahafatesan' ny olona an' arivony maro, dia nahomby tamin' ny famaizana ny fikomiana nanerana an' i Alemaina ny andriana tao amin' ny Fikambanan' i Swabia, fa nitohy tany Aotrisy kosa ny fikomiana mandra-pahatongan' ny taona nanaraka.

Tsy nahazo ny zavatra notakiny ny tantsaha alemàna tamin’ ny farany, fa tany Aotrisy kosa dia nofoanan’ ny andriana ny sasany tamin’ ireo tsy rariny nahatonga ny fikomiana. Ny fanoheran’ i Martin Lotera, izay noraisan’ ny tansaha tsy faly ny foto-pitsipika, ka nahatonga ny fikomian’ izy ireo, dia nandray anjara tamin’ ny faharesen’ ny mpikomy. Nankasitraka ny fanirian’ izy ireo i Lotera, saingy nanohitra tanteraka ny fikomiana mitam-piadiana izy.