Ny Ôfanima na Galgalima dia ilazana ny kodiarana hita ao amin' ny fahitan' i Ezekiela momba ny kalesy (merkabah) ao amin' ny Bokin' i Ezekiela (Ezek 1:15-21). Ny iray amin' ireo Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty (4Q405) dia mandika azy ireo ho anjely; ny fizaràna farany amin' ny Bokin' i Henôka (Henoka 61:10, 71:7) dia milazalaza azy ireo ho kilasin' ny zavamananaina any an-danitra izay (miaraka amin' ny Kerobima sy ny Serafima) tsy matory mihitsy, fa miambina ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Ao amin' ny anjelôlôjia kristiana dia anisan' ny antokon' ny anjely izy ireo, ary antsoina koa hoe "seza fiandrianana".

Sarin' ny fahitana ny kalesy, araka ny filazan' i Ezekiela, misy ôfanima eo amin' ny ilany havia

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אוֹפַנִּים / ʼōp̄annīm (na אוֹפָן / ʼōp̄ān raha milaza tokana), na גַּלְגַּלִּים / galgallīm (na גַּלְגַּל / galgal, milaza tokana) izy ireo.

Ôfàna

Ireo "kodiarana" ireo dia nampifandraisina amin' izay voalaza ao amin' ny Daniela 7:9 (izay ilazana azy ireo hoe galgal, "ny kodiaran' ny galgalima", misy "lelafo mirehitra" sy "afo mandoro") amin' ny kodiarana efatra rakotra maso (ka ny tsirairay amin' izy ireo dia misy kodiarana roa mifampiditra), izay mihetsika eo anilan' ny Kerobima manana elatra, eo ambanin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Mihetsika miaraka amin' ny Kerobima ireo kodiarana efatra ireo, satria ao anatin' izy ireo ny fanahin' ny Kerobima. Ny Boky faharoan' i Henôka (2Hen 20:1, 21:1) koa dia niantso azy ireo ho "ireo izay manana maso maro".

Ny Boky voalohan' i Henôka (Hen 71:7) dia toa milaza fa ny Ôfanima dia ampitovina amin' ny "Seza Fiandrianana" ao amin' ny kristianisma rehefa mitanisa azy ireo miaraka, araka ny filaharany: "... nanodidina ny Serafima sy ny Kerobima ary ny Ôfanima”.