I Samar dia nosin' i Filipina ao amin' ny vondronosy Visayas. Io no nosy fahatelo lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, misy mponina manodidina ny 1 08 tapitrisa.

Ny nosy Samar ao amin' ny tangoronosy Visayas

Io no nosy atsinanana indrindra ao amin' ny vondrona Visayas. Misaraka amin' i Leyte amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i San Juanico, izay 2 km monja ny sakany amin’ ny toerana tery indrindra. Io andilan-dranomasina io dia iampitan' ny tetezan' i San Juanico. I Samar dia eo atsimo-atsinanan' ny Saikinosin' i Bicol ao Luzon, nosy lehibe indrindra ao amin' ilay firenena. Ny andilan-dranomasin' i San Bernardino no mampisaraka azy roa. Ao atsimon' i Samar ny Hoalan' i Leyte, toerana nisy ny Adin' ny Hoalan' i Leyte, izay ampahan' ady an-dranomasina lehibe indrindra tamin' ny Ady Lehibe Faharoa. Misokatra mankany amin' ny Ranomasin' i Filipina, atsinanan' i Samar, ity helodrano ity.

Ny nosy Samar ao Filipina

Ity nosy ity dia mizara ho faritany telo: i Samar sy i Samar Avaratra ary i Samar Atsinanana. Ireo faritany telo ireo, miaraka amin' ny faritanin' ny nosy maro mifanila aminy ao Leyte sy Biliran, no mahaforona ny Faritra Visayas Atsinanana.

Jereo koa hanova