I Bohol dia nosin' i Filipina sady faritany ao amin' ny Faritra Visayas Afovoany, iray amin' ireo faritra telo lehibe ao amin' ny vondronosy Visayas. I Tagbilaran no renivohi-paritany. Ahitana ny nosy Bohol sy nosy kely miisa 75 manodidina azy ny Faritanin' i Bohol. Manana velarana mirefy 4 821 km2 sy morontsiraka mirefy 261 km ity nosy ity, izay nosy fahafolo lehibe indrindra ao Filipina. Faritany kilasy voalohany mizara ho distrika telo ny Faritanin' i Bohol.

Ny nosy Bohol ao Filipina

Toeram-pizahan-tany malaza amin' ny fanany tora-pasika sy toeram-pialan-tsasatra ilay faritany. Ny tangoron-kavoana Tsokolate (anglisy: Chocolate Hills; seboano Mga Bungtod sa Tsokolate, filipinô: Mga Tsokolateng Burol), izay havoana maro misy vatosokay miloko manja, no tena mahasarika indrindra.

Tarsien' i Filipina, mirefy 85 hatramin' ny 160 mm monja.

Ny nosy Panglao, any atsimo-andrefan' i Tagbilaran, dia malaza amin' ny toerana fanaovana antsitrika ary voalaza matetika ho anisan' ny toerana folo fanaovana an-tsitrika tsara indrindra eran-tany. Toeram-pizahan-tany maro sy ivon-toerana fanaovana antsitrika no manenika ny tora-pasika atsimo. Teratany ao amin' ilay nosy ny tarsien' i Filipina (Carlito syrichta), anisan' ny primata kely indrindra eran-tany.

I Bohol no faritany niavian' i Carlos P. Garcia, filoha fahavalo tao amin' ny Repoblikan' i Filipina (1957–1961) izay teraka tao Talibon, ao Bohol.

Ny Havoana Tsokolate

Tamin' ny 15 Ôktôbra 2013 dia ravan' ny horohorontany nirefy 7,2 sy manana ny ivony 6 km atsimon' i Sagbayan, i Bohol. Ity horohorontany ity, izay namely ny faritra atsimo amin' i Cebu ihany koa, dia namoizana ain' olona 222 ary nandratra olona 374. Nandrava na nanimba fiangonana lova maromaro tao Bohol koa izany.

Tamin' ny taona 2023 ny nosy Bohol dia voatendry ho UNESCO Global Geopark, voalohany ao Filipina izany.

Jereo koa hanova