I Masbate dia nosin' i Filipina ao amin' ny Faritanin' i Masbate. Anisan' ny Vondronosy Masbate io nosy io. Ny velarany dia mirefy 3 268 km2 ary niisa 731 269 ny mponina tao araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2020.

Sarintany maneho ny Faritr' i Bicol ao Filipina, izay ahitana koa ny nosy Masbate

Io no nosy faha-11 lehibe indrindra amin' ny velarana sy mponina ao Filipina. Laharana faha-155 maneran-tany ilay nosy araka ny velarany sady nosy faha-70 be mponina indrindra eran-tany. I Masbate no nosy lehibe indrindra amin' ireo nosy telo lehibe ao amin' ny Faritanin' i Masbate. Ny nosy lehibe roa hafa dia i Ticao sy i Burias.

Ny tanànan' i Masbate no tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay nosy, izay misy mponina 104 522 tamin' ny taona 2020.

Ny nosy Masbate dia voa mafy tamin' ny fandalovan' ny rivo-doza lehibe Yolanda tamin' ny Nôvambra 2013, izay nahatonga ny famindrana olona niisa 15 700 teo ho eo.

Jereo koa hanova