Ny Perestroika dia hetsika fanavaozana ara-pôlitika tao anatin' ny Antoko Kômonistan' ny Firaisana Sôvietika nandritra ny faramparan' ny taompolo 1980 izay nokarakarain' ny sekretera jeneralin' ilay antoko, Mikhail Gorbachev sy nifandray amin' ny fanavaozana ny pôlitika nataony antsoina hoe glasnost (midika hoe "fangaraharana"). Ny dikan' ny teny hoe perestroika ara-bakiteny dia "fanarenana", izay ilazana ny fanavaozana ny rafitra ara-pôlitika sy ara-toekarena tao amin' ny Firaisana Sôvietika, amin' ny ezaka natao hampitsahatra ny vanim-potoan' ny fijanonan' ny toekarena. Amin' ny teny rosiana izany dia atao hoe перестройка / perestroika.

Hjiam-paositra, vidina 5 kopek, fahatsiarovana ny Perestroika, tamin' ny taona 1988
Mikhail Gorbachev

Ny Perestroika dia nahafahana nanao hetsika mahaleo tena kokoa avy amin' ny ministera isan-karazany ary nampiditra fanavaozana maro toy ny tsena. Ny tanjon' ny perestroika anefa dia tsy ny hampitsahatra ny toekarena voabaiko fa ny hahatonga ny sôsialisma hiasa amin' ny fomba mahomby kokoa mba hanomezana fahafaham-po ny filan' ny olom-pirenena sôvietika amin'ny alalan' ny fampidirana singa avy amin' ny toekarena liberaly. Ny dingam-pirosoana mankany amin' ny fampiharana ny perestroika dia nanampy ny tsy fahampiana efa nisy, ary niteraka disadisa ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ary ara-toekarena tao amin' ny Firaisana Sôvietika. Ankoatra izay dia matetika ny perestroika no nomena tsiny noho ny fiakarana ara-pôlitikan' ny nasiônalisma sy ny antoko pôlitika nasiônalista tao amin' ny repoblika maro mandrafitra an' ilay firaisana.

I Gorbachev no nampiasa voalohany io teny io tamin' ny lahateny nataony mandritra ny fitsidihany an' i Tolyatti tamin' ny taona 1986. Naharitra hatramin' ny taona 1985 ka hatramin' ny 1991 ny Perestroika, ary matetika no lazaina fa antony lehibe nahatonga ny firodanan' ny Vondrona Atsinanana sy ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika. Nanamarika ny fiafaran’ ny Ady Mangatsiaka izany.