Ny Glasnost dia pôlitikan' ny fahalalahana maneho hevitra sy ny famoaham-baovao, nanomboka tamin' ny loza nokleary tao Chernobyl ary avy eo nentin' i Mikhail Gorbachev tao amin' ny Firaisana Sôvietika tamin' ny volana May 1986. Hevitra mifandraika amin' ny fisokafana sy ny mangarahara tao amin' ny Firaisana Sôvietika ny Glasnost. Manana dikany ankapobeny sy manokana maromaro izy io, anisan' izany ny pôlitikan' ny fisokafana lehibe indrindra eo amin' ny asan' ny andrim-panjakana sy ny fahalalahan' ny fampahalalam-baovao ary ny tsy fanekena ny fampanginana ny olana.

I Mikhail Gorbachev sy i Raisa Gorbachev vadiny

Amin' ny teny rosiana izany dia atao hoe гласность / glasnost [ˈɡlasnəsʲtʲ]. Amin' ny teny rosiana ny teny hoe гласность dia nampiasaina hatry ny ela amin' ny heviny hoe "fisokafana" sy "fangaraharana". Tamin' ny tapaky ny taompolo 1980 dia nataon' i Mikhail Gorbachev ho teny filamatra ara-pôlitika io teny io mba hampitomboana ny fangaraharan' ny governemanta tao amin' ny Firaisana Sôvietika ao anatin' ny rafitry ny perestroika.