Hasina (zavatra voatokana)

Ny hasina dia ny toetran'ny zavatra voatokana, tsy aharo amin'ny maro, natao ho ambony sy hajaina. Ohatra, ny loharano masina dia loharano iray eo an-tanàna izay navahana hatao fantsakana ny rano ampiasain'ny andriamanjaka, na loharano heverina fa itoeran'ny fanahin-javatra iray ka anaovana fombafombam-pangatahana amin'ny fanahy tsy hita maso. Toy izany koa ny vilia masina, vilia natokana ho fanaovana sorona na hampiasain'ny olona masina iray.

Jereo koa hanova