Hasina (fanomezana)

Ny hasina dia fanomezana atolotra ny olona na zava-manan-kasina. Fahizay, ny Ntaolo malagasy dia tsy miseho tanam-polo manoloana ny olona na zava-manan-kasina fa mitondra fanomezana toy ny lamba landy, ny tantely, ny akondro ary ny vola tsy vaky. Ny fomba atao amin'ny fanolorana izany no atao hoe "manasina". Ohatra, raha mandeha amin'ny olona mahay ody folaka na ody may dia manome azy ny "hasi-tanana", tsy saran'ny fanorana ny tongotra folaka anefa izany fa ilay hasina ao amin'ilay olona no isaorana. Raha mankany amin'ireo kalanoro mpitaiza dia sady manolotra vola no milaza hoe "mitomboa hasina ianao dadibe"... Ary raha manatona mpanandro dia milaza hoe "masina ianao ranakombe", ohatra.

Jereo koa hanova