Batàka (vahoaka ao Filipina)

Ny Batàka na Tinitiana dia anisan' ireo vahoaka negritô tompon-tany voalohany 140 eo ho eo ao Filipina. Any amin' ny faritra avaratra-atsinanana amin' i Palawan no misy azy ireo, nosy somary lehibe any atsimo-andrefana amin' ilay vondronosy. Hatramin' ny Andro Taloha, ny Batàka dia nipetraka tamin' ny lohasahan-drenirano maromaro manamorona ny morontsiraka izay antsoina ankehitriny hoe  Puerto Princesa.

Batàka tao Paragua (taona 1913)

Miisa 450 eo ho eo no sisa tavela araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 1990. Ny Batàka dia heverin' ny antrôpôlôga ho mifandray akaiky amin' ny Aeta ao Luzon Afovoany, izay vahoaka negritô iray hafa. Keliray izy ireo, manana hoditra maizimaizina sy volo ngita na olioly, toetra izay nahazoan' ilay vondrona ny anarana hoe Negrito izay midika hoe "mainty kely" tany am-boalohany. Na izany aza, misy ny adihevitra momba ny mety fisian' ny ifandraisan' ny Batàka amin' ny vondrona negritô hafa ao Filipina na amin' ny vondrona hafa mitovitovy toetra ara-batana aminy any Indônezia na any Malezia na hatrany amin' ireo nosy Andamana.

Ny Batàka dia mivelona amin' ny fihazana sy ny fiotazana sady mamboly zavamaniry azo hanina amin' ny alalan' ny fanaovana hatsaka antsoina hoe kaingin. Manao varotra koa izy ireo. Inoana fa tany amin' ny taona 500 taor. J.K. tany ho any dia nanana fifandraisana ara-barotra tamin' ny Sinoa izy ireo. Amin' izao fotoana izao ny Batàka dia matetika tsy mifandray amin' ny vahiny.

Jereo koa hanova