Ny Aeta na Agta dia vahoaka negritô monina any amin' ny faritra avaratra amin' i Filipina ao amin' ny nosy Luzon. Inoana fa izy ireo no mponina teratanin' i Filipina, efa ela be talohan' ny nahatongavan' ny Aostrôneziana avy any Taiwan 4000 taona lasa izay.

Lehilahy aeta

Ny antrôpôlôga sasany dia mampifandray ny Aeta, izay tsy mitovy amin' ny Aostrôneziana, amin' ny Andamaney any amin' ny Ranomasimbe Indiana ary amin' ny Semanga any Malezia.

Ny rijan-kevitra iray hafa momba ny niandohan' ny Aeta dia milaza fa izy ireo no taranaky ny mponina voalohany tany Filipina izay tonga tao 30 000 taona lasa izay, fony mbola ambany lavitra noho ny ankehitriny ny haavon' ny ranomasina ary ny nosy dia nifandray tamin' ny kôntinenta Aziatika. Efa ela ny Aeta no nanohitra ny lalàn' ny fanjanahantany espaniôla, ka nila fialofana tany an-tendrombohitra.

Ny fikarohana momba ny fototarazo tamin' ny tapian' olona maherin' ny 1 000 nofantenana avy amin' ny Aeta sy ny Mamanoa ao Mindanao ary ny vondrona negritô efatra hafa any Filipina dia nampiseho fa tsy misy fifandraisana akaiky ny Negritô sy ny Afrikana; ny Negritô any Filipina dia manakaiky kokoa ny mponina hafa any Azia Atsimo-Atsinanana noho ny Tera-tanin' i Aostralia sy ny mponin' i Ginea Vaovao.

Jereo koa hanova