Ny Tigre na Tigrea dia vahoaka ao Eritrea, izay 31% amin' ny mponina ao amin' io firenena io. Monina amin' ny tendrombohitra sy amin' ny lembalemba ary amin' ny lemaka any amin' ny faritra andrefana sy avaratra amin' i Eritrea izy ireo. Amin' ny fiteny tigrea dia atao hoe ትግረ / tigre sy ትግሬ / tigrē io vahoaka io. Ny fiteny tigrea no fiteniny. Ny Tigre dia tsy tokony hafangaro amin' ny vahoaka mifandray aminy atao hoe Tigrinia, izay foko maro anisa sy manjakazaka ao Eritrea, na ny Tigreana, izay monina ao amin' ny faritra etiôpianan' i Tigre, na dia samy miteny tigrinia aza ireo vahoaka roa ireo.

Tigre eo amin' ny 200 000 eo ho eo no monina any ivelany, indrindra any Eorôpa, indrindra taorian' ny fifindra-monina mahery vaika nanomboka tamin' ny taompolo 2000, mba handositra ny fahantrana sy ny fitondrana jadon' ny filoha eritreana Isaias Afwerki.

Fivavahana hanova

Manodidina ny 95% amin' ny Tigrea no manaraka ny finoana silamo sonita, ny ambiny kosa dia manaraka ny kristianisma (Fiangonana Ôrtôdôksa Eritreana, Eglizy Katôlika Rômana ary Fiangonana Loterana Evanjelikan' i Eritrea) ary ireo vondrona roa ireo dia samy mampiditra singa avy amin' ny fivavahana animista nentim-paharazana ao amin' ny fombafomba ara-pivavahana.

Jereo koa hanova