Zomandao
I Zomandao dia reniranon' i Madagasikara, manana halava mirefy 283 km, izay mamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony sy ny faritra Ihorombe ao amin' ny tapany afovoany atsimon' i Madagasikara. Ao amin' ny tangoron-tendrombohitra Andringitra ao amin' ny tendrombohitra Boby no ipoirany, ka mamakivaky ny lemaka Zomandao. Anisan' ny renirano lehibe manompo an' i Mangoky ny renirano Zomandao. Ahitana riandrano maro izy ka anisan' izany i Riandahy sy i Riambavy.