I Zeosy, araka ny fedrà grika, dia andriamanitry ny Lanitra sady mpanjakan' ireo andriamanitra monina ao amin' ny tendrombohitra Ôlimpo any Tesalia. Izy no zandriny indrindra tamin' ireo zanaky ny titàna lahy Krônôsy sy ny titàna vavy Rea. Rahalahiny ny andriamanitra Pôseidôna sy Hadesy ary anabaviny ny andriamanibavy Hestia sy Demetera ary Hera. Izy no tompo sy andriamanitry ny fahazavan' ny Lanitra. Izy no mibaiko ny filatsahan' ny ranon' orana. Manampy azy amin' izany asany izany i Hera anabaviny sady vadiny fahatelo.

Mpanjakan' ny olombelona sy ny andriamanitra rehetra ao Ôlimpo izy. Mahefa ny zava-drehetra izy ka nanjaka tamin' ny andriamanitra grika rehetra. Andriamanitry ny fahamarinam-pitsarana sy ny famelan-keloka ary mpiaro ny osa izy. Izy no manasazy ny mpanao heloka bevava ary mampanjaka ny filaminana eo amin' ny fiarahamonina sy manerana izao rehetra izao. Izy no miantoka ny hoavin' ny olombelona. Tandrovany ny fampanjakana ny lalàna sy ny fitiavam-bavaka ary ny fitiava-mandray vahiny.