Zafibrahima
Ny Zafibrahima ao amin' ny nosy Sainte-Marie (Nosy Boraha ankehitriny) dia maneho vondrona mponina malagasy izay manana lovantsofina mifamatotra amin' ny tantaran-drazana izay mety ho avy any Atsinanana Afovoany, indrindra ampifandraisina amin' ny taranak' i Abrahama, patriarika resahina ao amin' ny Baiboly.
Tantara
hanovaLovantsoifina
hanovaAo amin' ny nosy Sainte-Marie, ao atsinanan' i Madagasikara no misy ny Zafibrahima. Nanana tantara mahaliana maro ity nosy ity, ka misongadina amin' izany ny fandalovan' ny mpandeha an-tsambo, ny jiolahin-tsambo ary ny mpivarotra manam-piaviana samihafa. Mdika ara-bakiteny hoe "taranak' i Abrahama" ny anarana hoe "Zafibrahima". Io anarana io mihitsy no enti-manaporofo ny fisian' ny fifandraisana amin' i Abrahama.
Noheverina ho famantarana ny mety nandraisana singa ara-kolontsaina jiosy na avy any Atsinanana Afovoany ny lovantsofina sy ny fomba amam-panaon' ny Zafibrahima misongadina. Anisan' ireo singa ireo ny fomba fanao momba ny sakafo toy ny tsy fihinanana henan-kisoa, izay mampahatsiahy ny fandrarana an' io sakafo misy ao amin' ny jodaisma sy ao amin' ny finoana silamo; ny lovantsofina sy tantaram-pirazanana mamototra ny razambeny hatrany amin’ i Abrahama; ny anaran' ilay nosy fahiny, izay atao indraindray hoe "Nosy Boraha" (izany hoe "nosin' i Abrahama") ao amin' ny soratra tranainy.
Hevitry ny mpikaroka
hanovaNy fahatongavan' ny mponina avy any Atsinanana Afovoany eto Madagasikara dia azo hazavaina amin' ny alalan' ny vinavina maro: fifindra-monina taloha, mety mifandray amin' ny lalam-barotra mampifandray an' i Afrika Atsinanana sy i Azia; fifandraisana amin' ny tantsambo arabo na persiana, izay nitety ny morontsiraka malagasy nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany; fielezan' ny fitantarana ao amin' ny Baiboly sy lovatsofina avy any Atsinanana Afovoany amin' ny alalan' ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-barotra.
Ny mpikaroka sasany dia manantitra ny fisian' ny fitoviana ara-kolontsaina sy ny lovantsofina ho famantarana ny mety ho fandraisana singa ara-kolonsaina avy amin' ny mponina avy any Atsinanana Afovoany, na dia amin' ny fomba voafetra ihany aza.
Mifamatotra indrindraindrindra amin' ny fiaviana aostrôneziana (avy any Azia Atsimo-Atsinanana) sy ny fiaviana afrikana ho an' ny Malagasy iray manontolo. Izany dia tsy manilika ny mety ho fandraisana anjara ivelan' izany izay tsy tena nanjaka.