WordPress
WordPress dia rafitra fitantanana votoatiny (RFV) (amin'ny teny anglisy: content management system), malalaka anoratana ny rindrakajy PHP, ary miankina amin'ny tahiry fototra MySQL. Ny WordPess dia volavolan'asa nataon'ny orinasa Amerikanina Automattic, ary ampiasaina amin'ny fitantanana tranonkala toa ny blaogy, na tranonkalam-baovao na koa tranombarotra an-tranonkala izy io. Mifototra ao amin'ny lisansa [[GNU GPL]] ny WordPress ary manana tranokalany manokana WordPress.com. Tamin'ny taona 2015, dia nahatratra 25% ny tranokala vita tamin'ny WordPress maneran'izao tontolo izao.
Tantara
hanovaNindohany drafitra
hanovaNy WordPress dia nihodina nanomboka tamin'ny taona 2003, nivotra tsikelikely, i Michel Valdrighi sy Matthew Mullenweg no niezaka nanao io fotodrafitr'asa io ary namadibadika izany.
Ny fiovoarany sy ny tanjany
hanovaNy 16 may 2007, namoaka laharana 2.2 WordPress ny mpikirakira ary nahatratra 200 teo ny lesoka hita tamin'izany. Izany moa dia nomena anarana hoe Getz. Dimy ambinifolo andro taoriany namoahana ny laharana 2.2 dia nanao jeri-todika mba hijerevana ny laharana 2.3 ny mpandrindra ny 24 septambre 2007.