I Wilford Woodruff dia mpanao pôlitika môrmôna, filoha faha-4 nitarika ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany nanomboka tamin' ny taona 1887 ka hatramin' ny nahafatesany. Teraka tamin' ny 1 Marsa 1807 ary maty tamin' ny 2 Septambra 1898 izy.

Wilford Woodruff

Nandritra ny fitondrany dia nampiroborobo ny fanitarana ny gazety môrmôna izy, nanamafy ny fahefana ara-pivavahana tany amin' ireo zanatany tany Meksika ary nanao sonia ny Fanambaràn' ny taona 1890, izay nangatahin' i Etazonia nandritra ny taona maro, izay mandrara ny fampirafesana ao Utah. Na dia teo aza io fanambaràna io dia tsy navelan' ilay fiangonana ny fanambadiana maro satria nanohy namporisika sy namela izany fanao izany i Woodruff. Tamin' ny naha filoha an' i George Albert Smith tamin' ny taona 1945 no nandaozan' ity fiangonana ity amin' ny fomba ôfisialy ny fampirafesana.

Jereo koa hanova