Joseph Smith
I Joseph Smith Jr. (23 Desambra 1805 - 27 Jiona 1844) dia olona namorona ny fiangonana môrmona. Olona fantatra izy amin'ny fiainana ara-pivavàna sy ara-politika ny Etazonia tamin'ny taona 1830 - 1840.
Tamin'ny 1830, namoaka ny Bokin'i Môrmôna i Joseph Smith, miteny izy fa hoe dikan-tenin'ny soratra taloha io boky io, nosoratana tamin'ny takela-bolamena hono ilay izy ary nomen'ny anjely an'i Joseph Smith hono ilay soratra.
Tamin'ny 1830 ihany, naoriny ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany, ary lasa filohan'io fiangonana io izy avy eo.
|