Ny menônisma dia hetsika kristiana evanjelika anabatista izay nipoitra avy tamin' ny Refôrmasiona prôtestanta radikaly. Ny anarany dia avy amin' ny fiantsoan' ny Hôlandey ny Anabatista tamin' ny taonjato faha-16, avy amin' ny anaran' ny iray amin' ireo mpitarika malaza, i Menno Simons. Ny ankamaroan' ny mpikambana ao aminy dia ao amin' ny Fiombonambe Menônite Maneran-Tany (frantsay: Conférence mennonite mondiale). Atao hoe Menônita ny mpivavavaka ao amin' ity fivavahana ity. Atao hoe Menônita ny mpikambana ao amin' io hetsika io.

Vondrona anabatista avy any Hôlandy (na Nederalandy) no niandohan' ilay hetsika. Tamin' ny taona 1537, i Menno Simons, pretra katôlika taloha avy any Friesland (na Frise), dia notendren' ny loholona Obbe Philips ho loholona ary lasa mpitarika ilay vondrona.

Tamin' ny taona 1540, ny fanontana ny boky Fondation de la doctrine chrétienne, izay boky teôlôjika momba ny finoana sy ny fanao anabatista, nosoratan' i Menno Simons tany Hôlandy, no niteraka ny menônisma. Tamin' ny voalohany dia nantsoina hoe "menista" ny mpikambana ao amin' ilay vondrona. Io boky io sy ny hafa dia nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny menônisma, ka ny sasany amin' ireo foto-pampianarana ireo no nanentana ny kristianisma evanjelika koa tatỳ aoriana.

Tamin' ny taona 1544, ny teny hoe "menônita" no sambany nampiasain' ny pasitera iray ary natao hanondroana ny Anabatista tany Hôlandy. (tohiny...)