Washington dia faritany mizaka tena any avaratra andrefan' Etazonia. Any avaratra izy voafaritry ny faritany kanadianin'ny Kolombia Britanika, voafaritry ny Idaho any atsinanana, ny Oregona any atsimo ary ny ranomasimbe Pasifika any andrefana. Aza afangaroana ny faritany mizaka-tenenan'i Washington sy ny Renivohitra ara-pederalin' Etazonia (Distrikan'i Columbia), any atsinanan' Etazonia, avy amin'ny anaran'ny filoha amerikana volaohany George Washington.

Ny faritan'i Washington miloko mena
Ny faritan'i Washington miloko mena
Ny faritan'i Washington
Ny faritan'i Washington

Tantara hanova

Talohan'ny nahatongavan'ny eoropeana tao, ny amorontsiraka Pasifika dia nopetrahan'ny foko teratany maromaro manana kolontsaina samihafa, miaina amin'ny fanjonoana ny trozona sy ny salmôna (saumon). Fantatra amin'ny lakany sy ny totem-ny izy ireo ankehitriny.

Ny kapteny espaniona don Bruno de Heceta dia nahita ilay faritany tamin'ny 1775 ary nilaza fa an' Espaina daholo ny tany rehetra hitany hatrany amin'ny zanatany Rosy any avaratra (Alaska). Tamin'ny 1778, ny mpizahantany James Cook dia nandeha hatreo amin'ny Tanjona Flattery, eo am-pidiran'ny detroit-n'ny Juan de Fuca, fa io detroit io dia tamin'ny 1789 vao nodihinana akaiky, dia tao aoriana novangian'ny espaniola sy ny britanika George Vancouver, tamin'ny 1792.

Araka ny fifaneken'i Nootka tamin'ny 1790, ny faritany any Avaratra andrefana dia misokatra ho an'ny trappeur sy ny mpizahantany britanika sy amerikana. Ny kapteny Robert Gray, nanome ny anarany an'ny kaontian'i Grays Harbour, dia nahitan'ny vavaranon'ny Columbia, ary nomeny an'ilay renirano ny anaran'ny sambony, ny Columbia. Ny mpanjanatany voalohany tonga tao amin'ny faritan'i Washington dia i Lewis sy Clark, nahita ilay faritany tamin'ny alàlan'ny tongotra.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova